|
Written by Daniel Rajakoba
|
|
vendredi, 13 octobre 2006 |
|
Ry Malagasy havako,
Tonga ny fotoana hanambarako amin’ny fomba ofisialy ny fahavononako hofidina ho Filoham-pirenena, ho fanamafisana izay efa nambara tamin’ny 14 Jona 2006. Ny rariny sy ny hitsiny no fototra hitondrako ny tany sy ny fanjakana. Ary ny zavatra hataoko voalohany indrindra raha tonga Raiamandrenin’ny Malagasy aho, dia ny fananganana Governemanta mivelatra izay taratry ny firaisam-pirenena, handraisan’ny tia tanindrazana rehetra andraikitra.
Izany no hamahana ny krizy politika misy, sy hanarenana miaraka ny lafiny sosialy, indrindra ny toe-karena Malagasy.
Heveriko fa laharam-pahamehana ihany koa ireto sehatr’asa singanina manaraka ireto: - Ny fanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana isan’ambaratonga, indrindra fa ny sehatra fikarohana, mba hiantohana ny hoavin’ny taranaka Malagasy.
- Ny fitsinjovana ny fahasalamana ho an’ny besinimaro hampandrosoana ny sehatra famokarana isan-karazany sy ny fitrandrahana mirindra ny harena voa-janahary.
- Ny fanarenana ny kolotsaina ho fanandratana ny soatoavina malagasy, izay mifototra amin’ny fokonolona.
- Ny famoronana asa tandrify sy mendrika ho an’ny tsirairay.
- Ny fanomezan-danja ny sandam-bola malagasy hampiakarana ny fahefa-mividin’ny olom-pirenena, ho famporisihana ny fampiasam-bola anatiny sy ivelany.
- Ny fandrafetana rafitra maty paika sy maharitra hiantohana ny fitoniana eo amin’ny tontolo politika, izay hiantsoana ny hery velona rehetra.
Alao hery àry, mivonona, raiso ny andraikitra, fa isika ihany no afaka hampandroso an’i Madagasikara ho an’ny Malagasy. Ho ela velona anie ny vahoaka manontolo miara-mandroso ao anatin’ny Fihavanana, ary ny Fahamarinana anie no hanandratra ity firenena mamintsika ity. |