| L'Express : Nihaona tamin'ny pasitera Daniel Rajakoba ny FFKM |
|
|
|
| Written by Webmaster | |
| jeudi, 07 septembre 2006 | |
|
Ireo vondron'ny mpanohitra isan-tsokajiny, toy ny 3FN, dia efa nihaona tamin' ny sehatr'asa momba ny fiainam-pirenena (Sefip) izay sampana iray ao anatin'ny Fiombonan'ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM). oraisin'ny Sefip teny Vohipiraisana indray omaly tolakandro ny pasitera Daniel Rajakoba, izay filohan'ny antoko Fihavanantsika ary isan'ireo nitonona ho kandidà hifaninana amin' ny toeran'ny filohan'ny Repoblika. Ny pasitera Daniel Rajakoba manokana dia efa isan'ireo kandidà tamin'ny fifidianana ny 15 desambra 2001. Raha nanontaniana mikasika ny dinika nifanaovany tamin'ny Sefip ity pasitera filohan'ny antoko ny Fihavanantsika dia nanambara fa “ny mikasika ny ahatsara ny fifidianana no isan'ny resaka noresahinay. Nanolotra volavolan-kevitra ihany koa anefa ny tenako, hoy Daniel Rajakoba. Noraisin' ny Sefip izany araka ny voalazany ary hanaovana tatitra any amin'ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy”. Mikasika ireo tolo-kevitra naroson' ny pasitera Daniel Rajakoba dia nilaza ny tenany fa “tokony hiezaka hanao izay aha-ara-dalàna ny fifidianana ny FFKM. Na tsy dia tsy vitan'izy ireo aza ny hanao ilay vondrona tsy miankina hanara-maso ny fifidianana dia mila ny fanarahan'izy ireo maso akaiky”. Notsongaina tao amin'ny : L'Express de Madagascar |
| < Prev | Next > |
|---|


