| Mba tsy ho simba ny Firenena |
|
|
|
| Written by Daniel Rajakoba | |
| jeudi, 10 janvier 2002 | |
|
Manoloana izao fotoan-tsarotra diavin'ny Firenentsika ankehitriny izao, izaho Daniel RAJAKOBA, Mpitandrina, amin'ny maha - mpanompon' Andriamanitra ahy miezaka hanaraka ny Baiboly, izay isan'ny nilatsaka hofidina tamin'ny 16 desambra 2001 lasa teo dia mitaona ny mpiray Tanindrazana handinika sy hamakafaka izao teny izao : 1. Ny fahamarinana katsahina sy ivelomana ao anatin'ny fitandroam-pihavanana no fototry ny fampandrosoana azo antoka. Noho izany dia iangaviana sy amporisihina ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana handray ho isan'ny fitaovam-piasana ireo « Procès Verbaux » rehetra avy amin 'ny Fanjakana sy ireo Fikambanana samihafa neken'ny CNE. 2. Ny fahamarinana katsahina sy ivelomana ao anatin'ny fanjakana tan-dalàna sy ny rafi-pitondrana mahefa no ahazoana mampijoro ny demokrasia marina eto amin'ny tanintsika. Koa iangaviana isika rehetra mba samy ho tony sy hilamina mba hahatanteraka izany. 3. Asa tsy vitan'olon-drery izany, na iza izy na iza, fa tsy maintsy ifarimbonan'ny olom-pirenena rehetra ; koa dia ilaina maika ny fifanatonana sy ny fifanajana ary ny fifanakalozan-kevitra amim-pirahalahiana. 4. Noho izany rehetra izany dia tokony hatao ho zava-pady indrindra ny fifampihantsiana, ny fampiasana herisetra na avy aiza na avy aiza, indrindra fa ny ady fifandonana. Raha sanatria izany no tsy voahaja dia ho levona ny firenena manontolo, tsy hisy tombontsoa na ho an'iza na ho an'iza. Fa hoy ny Soratra Masina : « Raha misy olona toa tia ady, dia tsy manana izany fanao izany isika , na ny Fiangonan'Andriamanitra » I Kor 11 : 16 « Sambatra ny mpampihavana fa izy no atao hoe : zanak' Andriamanitra » Matio 5 : 9
Daniel RAJAKOBA |
| < Prev | Next > |
|---|


