| James Ratsima:Voahitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena |
|
|
|
| Written by Webmaster | |
| vendredi, 16 juin 2006 | |
|
Ny fitontonganan’ny sandambola, ny fibosesehan’ireo vahiny sy ny mpampiasa vola eto Madagasikara, ny fisian’ireo teratany avy any ivelany zary mitantana sy manolotsaina amin’ny raharahan’ny Malagasy ; isan’ny nanaovan’Ingahy James Ratsima, fanazavan-kevitra tamin’ny mpanao gazety ireo omaly.
Novakiany bantsilana tao anatin’izay fa tsy mitantana ny firenena intsony ny Malagasy, ary dia zary mangina manoloana ny fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena inian’ny sasany atao. Araka ny nambaran’ity mpahay toekarena ity, dia maro ireo vahiny te - hisisika eto amintsika, satria mbola be ireo harena azo tsentsefina. Tao anatin’izay aza no nanaovana tsipi-teny ny amin’ny fanirian’ny sasany te hivarotra mihitsy an’ity Madagasikara ity. Ho an’ity mpanao pôlitika, izay sady mahay mikirakira ny lafiny fitantanana ara-toekarena ity, dia navoitrany fa misy ny vaha-olana azo isorohana izao tsy fetezan-javatra sy fitontonganan’ny fari-piainan’ny firenena sy ny vahoaka izao, saingy ny mpitondra mihitsy no tsy hanao. Dieny mbola tsy voavarotra tanteraka i Madagasikara, hoy Ingahy James Ratsima, dia ilaina ny fiarahan’ny rehetra mijoro, mifanohana, mifanome tanana, satria fotoanany izao. Tsy ny vahiny na ny mpanambola avy any ivelany mihitsy, araka ny nambarany, no hanavotra an’i Madagasikara fa isika Malagasy ihany. Mazava ny an-dry zareo ny tanjona, ahoana no handritrana ny harem-pirenena, ny vatosoa, ny hazan-dranomasina, ny harena ambanin’ny tany. Fa tao anatin’ity resaka omaly ity, no nilazan’ny Pastora Daniel Rajakoba ny fahavononany hirotsaka ho kandidà ho filoham-pirenena. Source : La Gazette de la Grande Ile
|
| < Prev | Next > |
|---|


