spacer.png, 0 kB

Communiqué : Madagascar traverse actuellement une période difficile. Le vent du changement politique qui a suscité tant d’espoirs en 2002 s’est regrettablement mué en une impasse socioéconomique. 

Read more...
 

spacer.png, 0 kB
spacer.png, 0 kB
Home arrow Information arrow Press arrow Pastora Daniel Rajakoba: ? Ny zavatra tsy vita no loharanom-pahantrana ?
Pastora Daniel Rajakoba: ? Ny zavatra tsy vita no loharanom-pahantrana ? PDF Print E-mail
Written by Webmaster   
vendredi, 16 juin 2006

Efa natsidikay teto ihany omaly ny fanapahan-kevitry ny Pastora Rajakoba Daniel amin’ny firotsahany ho mpifaninana hofidiana ho filoham-pirenena atsy ho atsy.

Ny hevitra fototra nambarany fa anton’izany fandraisany anjara amin’ny fifaninanana izany dia ny fahalatsahan’ny firenena an-katerena indray, toy ny tamin’ny taona 1972. Amin’ny lafin-javatra rehetra no ahitana taratra an’izay firenena latsaka an-katerena izay, hoy izy.

Noho izany, misy zavatra marobe ilàna fanamboarana eto Madagasikara ka tsy maintsy mijoro ny tena satria mbola nomen’Andriamanitra tombon’andro hiatrehana adidy, hoy ihany ity ministry ny asam-panjakana tao amin’ny governemanta Ramanantsoa ity.

Nopotsipotsirin’ny Pastora Daniel Rajakoba fa misy fiangarana sy fitondra-mitanila amin’ny endriny maro eto Madagasikara amin’izao fotoana, nefa ny lalàmpanorenana dia mazava ny lazainy fa “mitovy avokoa ny olom-pirenena malagasy rehetra na inona andraikiny, na inona toerana misy azy na inona harenany, eo anoloan’ny lalàna”.

Ny fanazavana nataon’ity raiamandreny mpanabe ara-panahy ity no nanatsoahany hevittra iray hoe “izany fiangarana sy fitondra-mitanila izany dia miteraka fifankahalana sy fifandrafesana”.

Etsy an-kilany, nambarany koa fa na mpitondra fivavahana aza ny tenany dia tsy hanazava loatra ny endriky ny fampihavanana araka ny fomba sy ny toe-tsaina kristiana. Ny hany fampihavanana tsara indrindra sy mafy orina indrindra eo anivon’ny fiainam-piaraha-monina toy ny ankehitriny eto Madagasikara, hoy hatrany ny Pastora Rajakoba Daniel, dia “ny fanomezana ny rariny sy ny hitsiny ny vahoaka”. Nohazavainy ny tiany ho nambara, fa “azo atao avokoa ny fomba heverina fa hahitana an’izay fampihavanana izay, na fifandraisan-tanana io na fifanorohana, na famonoana omby araka ny fomban-tany sasany na ny fomba kristiana, na inona na inona, saingy io fikatsahana sy fanomezana ny rariny sy ny hitsiny ho an’ny vahoaka io no mafy orina indrindra.”

Etsy ankilany dia tsy nihambahamba mihitsy ny Pastora Daniel Rajakoba nilaza fa “ny mahavariana sy manahirana ny mpitondra eto amintsika dia izy izay miseho ho mpino sy kristiana indrindra ka tokony hitory ny fitiavan’i Kristy sy hijoro ho vavolombelon’izany fikatsahana ny rariny sy ny hitsiny ho an’ny vahoaka izany indray no toa mamotika an’ilay hevitra mahasoa ny firenena.” Ny antony, hoy ihany izy, dia satria fihatsarambelatsihy fotsiny ny an’ny sasany no isehoana hoe mpivavaka.

Tsy nohadinoiny koa ny nampifandray an’izay fihetsika izay amin’ny fitondran-tenan’ny tompon’andraiki-panjakana sasany, ka nilazan’ny Pastora Rajakoba Daniel fa “ny fitiavantenan’ny mpitondra no loharanon’ny fitondrana jadona”.
Etsy ankilan’izany, nokianiny mafy ny fomba fihetsiky ny manana andraikitra isan-tokony eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

Mahavariana ahy, hoy ny nambarany, fa ny mitanisa ny zavatra vita ihany no manavanana ny mpitondra. Tsy hojerentsika ny hoe nahavita dia toa inona no endriky ny zavatra vita, ary ahoana ny ao anatin’izay fahavitana izay. Ny tsy mbola nisy mihitsy, hoy izy, dia ny mpitondra sahy nitanisa ny zavatra tsy vitany sy ny anton’ny tsy nahatrarany an’izay tokony ho nataony. Ho an-dRajakoba Daniel dia tsy ny fitanisana ny zava-bita no lehibe fa ny filazana ny tokony ho natao, nefa noho ny antony toa izao na tahaka itsy dia tsy tratra. Ny tsy tsapantsika rehetra mantsy, hoy izy, dia ireny zavatra tsy vita ireny no fototra sy loharanon’ny fahantram-bahoaka. Tsy zava-maivana na madinika izany ny tokony hitanisana ny zavatra tsy vita, hoy izy.

 

Source : La Gazette de la Grande Ile  

 
< Prev   Next >
spacer.png, 0 kB
spacer.png, 0 kB
spacer.png, 0 kB