| Antso ho an'ny Kristianina |
|
|
|
| Written by Daniel Rajakoba | |
| jeudi, 16 septembre 2004 | |
|
« Fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny Fireneko ? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako .” (Est.8:6) - Antso ho an'ny Krisitanina –Araka ny fampianaran’ny Baiboly, ny Fiangonana kristianina no mpaminanin’Andriamanitra amin’izao andro farany izao. Ary ny mpaminany dia miteny sy miasa araka izay ambaran’Andriamanitra aminy sy andidiany azy. “Ry zanak’olona, efa nataoko mpitily ho an’ny taranak’Isiraely hianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin’ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy” (Ezek.3:17; ). Amin’ny maha-mpitandrina ahy mandray andraikitra feno eo amin’ny fiainam-pirenena (ara-pitondrana, ara-tsaina, ara-panahy), dia adidy aman’andraikitra anankiroa lehibe izay isan’ny nanendren’Andriamanitra ny mpaminany no itaomako ny kristianina rehetra isam-batan’olona sy isam-piangonana hodinihana sy hotanterahina amim-pinoana : Mpitily (mpiambina, “sentinelle”) ho an’ny vahoaka ny mpaminany:Voasoratra hoe : “Ianao ry zanak’olona (i Ezekiela), dia efa notendreko ho mpitily ho an’ny taranak’i Israely ; ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy. Raha hoy Izaho amin’ny ratsy fanahy : he ! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao ! Nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin’ny alehany, dia ho fatin’ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin’ny tànanao. Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin’ny làlany ratsy, fa izy no tsy mety miala amin’izany, dia ho fatin’ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao” (Ezek. 33:7-9) Dia samy handini-tena avy isika tsirairay sy isam-piangonana, na mitoetra amin’ny finoana marina isika na tsia. Ary rehefa avy mibebaka isika, dia aoka hananatra ny namana, arak’izay tandrify azy avy : ny mpitondra sy ny vahoaka. Fa ory dia ory loatra ny Firenentsika : manjaka ny faharatsiana rehetra, eny, ny “faharatsiana mahatonga fandravana “ (Matio 24:15 ; 2 Tesal. 2 :3,4 ; Deot. 18 : 9-14 ; Mat. 6:24 ; Mat. 7:15-20 : ny andriamani-tsy-izy maro, i Mamôna, ny amboadia mitoha mitondra fitafian’ny ondry, sns.. no indro te hamabo ny Fiangonana ) : betsaka anefa ny kristianina mbola jamba manoloana izany, na minia tsy te-hahalala. Andriamanitra anefa tsy azo vazivazina (Gal. 6: 7) Mpifona ho an’ny vahoaka ny mpaminany :“Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy : efa hitako io firenena io, fa indro, firenena mafy hatoka izy. Koa ankehitriny, avelao hirehitra aminy ny fahatezerako, ka aringako izy... Fa i Mosesy nifona tamin’i Jehovah Andriamaniny... Ary i Jehovah dia nanenina ny amin’ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony” (Eks.32 : 9, 10a, 11a, 14). Mpamela heloka Andriamanitra, ary tsy faly ny handringana. Koa antsoina isika kristianina rehetra hifanaiky hifona ho an’ny Firenentsika tsy misy hataka andro. Atomboka anio izany : amin’ny 08:30 min alina ka hatramin’ny 09 ora alina. (na ao an-tranonao, na ao an-trano Fiangonana). Teny azontsika iaingana : 2 Tan. 7 : 14 / Jona 3 : 10 / Jer. 18 : 1 – 11. Fanamarihana :
Antananarivo faha 17 septambra 2004, Past. Daniel RAJAKOBA.
|
| < Prev | Next > |
|---|


