spacer.png, 0 kB

Communiqué : Madagascar traverse actuellement une période difficile. Le vent du changement politique qui a suscité tant d’espoirs en 2002 s’est regrettablement mué en une impasse socioéconomique. 

Read more...
 

spacer.png, 0 kB
spacer.png, 0 kB
Home arrow Information arrow Interviews arrow Laïcité de l'Etat - Interview
Laïcité de l'Etat - Interview PDF Print E-mail
Written by Andrianasolo   
samedi, 23 octobre 2004

Transcription de l'interview croisée du Père Rémi RALIBERA et du Pasteur Daniel RAJAKOBA sur la laïcité de l'Etat. Emission télévisée, Fanjihitra sur TV+.

Ismaël Razafinarivo : ho anareo, amin'ny maha-pitondra fivavahana anareo, inona ny dikany ny hoe “laïcité de l’Etat” ?

Père Rémi Ralibera : hatramin’ny fahaleovantena dia efa notenenina io laïcité de l’Etat io. Inona marina ny hevitr’izany ? Ny lalam-panorenana tsy milaza ny tena izy. Misy ny firenena manana ny fivavahana ofisialy toy ny République Islamique. Izaho tsy afaka mamaritra izany maha- laika ny fanjakana izany satria tsy voafaritra ao @ lalam-panorenana izany. Ka aleo angaha hiteny aloha i Pasitera Rajakoba.

Pasteur Daniel Rajakoba : Misoratra ao anatin’ny lalam-panorenana andininy voalohany fa ny fanjakana dia fanjakana laika, kanefa dia misoratra ao koa ny hoe mino an’Andriamanitra Andriananahary, ary mila fampihavanana aminy ny olona. Raha ny hevi-teny no jerena dia ny laika dia mifanohitra @ ny hoe clerc (momban’ny fivavahana), ny laika dia ny hijerena ny vahoaka tsy miankina @ fivavahana. Fitondrana izay tsy mijery ny fivavahan’ny olona.

Ismaël Razafinarivo : inona ny endrik’izany laïcité izany eto amintsika ?

Père Rémi Ralibera : manahirana ny milaza. Amiko ny laïcité dia izay mifanaraka @ toetrantsika malagasy
1°) Malalaka ny fivavahana rehefa tsy manakorontana ny fiara-monina.
2°) Tsy miandany @ fiangonana toy izao na toy izao ny fanjakana
3°) Raha manao fanampiana ny Fanjakana dia misy lalàna mifehy izany fa tsy hatao be fahatany fotsiny.
@ izao fotoana izao anefa niova io zavatra io. Lazaina fa miara-miasa ny fiangonana sy ny fanjakana. Izany hoe novana ny fifandraisana. Ny mpitondra fanjakana no manao hoe avia miara-miasa aminay fa tsy ny fiangonana. Ary dia klasiana ho mpanohitra izay rehetra tsy mitovy hevitra amin’izay . Tsy ny fiangonana no nanontany izany fiara-miasa izany.

Pasteur Daniel Rajakoba : ny raharaham-pivavahana dia tsy azo hanaovana lalàna hanerena ny olona satria manjary tsy manaja ny olona hisafidy ny finoany. Ankehitriny dia mila fitandremana : ny fanjakana laika dia mikarakara ny vahoaka jerena @ lafiny mitovy, na dia samihafa fivavahana, na antoko, na foko aza.

Père Rémi Ralibera : Eo indrindra anie Pasitera ilay problème é ! Mitsofoka loatra amin’ny asan’ny fiangonana ny fanjakana, tsy voahaja intsony ny laïcité : ny Malagasy rehetra anie tsy kristianina é : ohatra izao ny resaka “filet de sécurité”, ny SAF FJKM no asaina mizara izany : asan’ny fanjakana anie izany é ! tsy hoe fiara-miasa intsony fa manao ny asan’ny fanjakana. Ary eo indrindra ny olana satria malama ny vola, mitobaka, kanefa ireo hizaràna izany olom-belona ihany ka mety hibolisatra any @ tsy izy.Ismaël Razafinarivo : milaza hianao Mompera fa tsy anjaran’ny fiangonana izany, sao dia ny fiangonana ihany aza no nitady izany ?Père Rémi Ralibera : an ! an! Tsy ny fiangonana no nitady izany. Ny fanjakana anie mitsinjo ny lafiny politika é! Ary raha tsy manao izany izy adala. Ny Fiangonana no tokony handà : satrin’ny mpanao politika aza ny miditra rehefa vohaina midanadana ny vavahadim-piangonana, avy eo ny mpanao politika milaza hoe mba tsarovy izahay rehefa @ fifidianana. Mahatahotra aho hoe atao fitaovana ny fiangonana

Pasteur Daniel Rajakoba : miala tsiny aho milaza an’ity Mompera fa tantaram-piangonana moa ity.

Père Rémi Ralibera : tsy maninona fa lazao kà.

Pasteur Daniel Rajakoba  : i Luther dia nanazava tsara fa misy fanjakana anankiroa : ny fanjakan’Andriamanitra ary ny fanjakana eto an-tany. Ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy hanerena olona , ny fanjakana eto an-tany dia mijery ny vahoaka manontolo n’inona n’inona fizarany ara-pivavahana, ara-poko ets.. Ny fanjakana eto an-tany dia avy @ Andriamanitra koa izay apetrany mba hisian’ny fandriam-pahalemana eo @ fiara-monina. Ny asan’ny Fiangonana dia ny mamolavola ny olona ho marina, ho mahitsy. Olona afaka mandeha @ fahitsiana na dia tsy eo aza ny lehibe. Izay foana anie ny olona teto amintsika é ! Rehefa tsy eo ny lehibe na misy vola dia mandeha any izay tsy izy.

Ismaël Razafinarivo : Ka misy ve ny “laïcité de l’Etat” eto amintsika sa tsy misy ? Ary mirindra tsara ve ny endrika fiara-miasa eto amintsika @ izao fotoana izao ?

Père Rémi Ralibera : Hianao Past. Dia tena olon-Andriamanitra, mijery @ saina madio. Raha ny kristianina no jerena dia izao no zava-misy : ny vola fahefana ; hianao teo Past. nilaza fa ny Fiangonana dia tokony hamolavola olo-marina : indrisy mantsy , izay no tokony ho izy, kanefa tsy izany no zava-mitranga. Mijaly ny olona, ny fahasahiranana betsaka, kanefa voatapim-bava @ vola ny Fiangonana. Ao ny tsy afa-miteny fa sao tsy mahazo vola ; ao ny miteny hoe avelao fa zara aza misy Filoha mivavaka. Ny Fiangonana anie mpaminany é, ary ny mpaminany t@ testamenta taloha dia miteny mafy ny mpitondra rehefa misy zavatra tsy mety : mbola betsaka ny fahorian’ny olona ny kolikoly mbola mandeha, ny Fiangonana tokony hiteny dia mangina.

Pasteur Daniel Rajakoba: Izay no lazaiko hoe tsy mazava ilay fiara-miasa. Mandeha ny fizarana vola t@ fotoam-pifidianana. Raha nandinin-tena ny Fiangonana dia tsy tokony hanaiky. Tsy natao hitantana vola ny Fiangonana.

Ismaël Razafinarivo :: Ka ny Fiangonana ve no manao ny Fanjakana ho fitaovana sa ny Fanjakana no manao ny Fiangonana ho fitaovana ?

Pasteur Daniel Rajakoba : ny Fanjakana dia sady zanaka no Raiamandreny. Ny Vahoaka manara-maso ny zanany, ary ny Fiangonana dia “garant” miteny ny tsy mety, ary sahy miteny izany satria manana elanelana. Ity Président miditra ao @ rafim-pitondran’ny Fiangonana ity anie no tsy mety é ! Rehefa misy fivoriana, tsy ny maha-vice pdt azy no hitan’ny olona fa ny maha-filohan’ny Repoblika azy, dia mangina ny olona. Ny voatapim-bava @ vola tsy afa-miteny. Dia lasa mivarotra fahamarinana ny Fiangonana.

Père Rémi Ralibera : izaho dia misaotra ny Pasitera Rajakoba fa tsy ho sahy hiteny izay nolazainy teo aho. Raha tsy mitandrina ny Fiangonana dia ho sahirana !

Pasteur Daniel Rajakoba  : Hahavery ny Fiangonana izao : toy ny nolazain’i Mompera teo hoe ny Fiangonana dia mpaminany : raha mania ny mpanjaka taloha dia lazain’ny mpaminany hoe tsy mety izao.

Ismaël RAZAFINARIVO : Ka ny zava-misy dia izao : izaho izany tena mipetraka eo amin’ny toeran’ilay fanjakana miara-miasa amin’ny Fiangonana ; ny olona sasany dia miteny hoe mpitondra tena mivavaka io, ny zavatra rehetra dia sitrapon’Andriamanitra, ka inona moa no maharatsy an’izany ? Raha ohatra ka tena tonga @ izay teboka mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izay ny fiainam-pirenena ?

Père Rémi RALIBERA : ny sitrapon’Andriamanitra izany, sarotra, fa izao é : ny tenin’i Past. Rajakoba teo anie lalina mihitsy é : hanimba ny Fiangonana io. Ny olona tsy mahalala izay aty’ an-tampony aty’, fa ny an’ny olona dia ilay fahoriany, ilay fahasahiranany, ilay fanjakazakana’ny mpitondra maro, ny kolikoly, sy ny sisa, iny no fantany ka raha hitany fa hoe iza moa no ao ambony ao : ah, ireo ny mpitondra fivavahana, dia ireo koa no hieveriny fa maika koa mampijaly azy : mitsimbadika anie io é ! fa ny tena hampitsimbadika azy tsy ilay olona @ izao fotoana izao ; ny olona amin’izao fotoana izao mbola manaja raiamandreny ; Filoham-panjakana  : eny tompoko, manaja anao izahay raiamandreny ! fa ny tanora, ny tanora miakatra ireo, raha ireo no torina ny filazantsara rahafak’ampitso : izy tsy manan-asa an, izy tsy afaka hanorina tokan-trano fa kely loatra ny karamany na manan’asa azy izy an, ny fananany tsy misy, sy ny sisa, izy tsy afaka handroso fa izay mahalala olona sy manam-bola ihany no tafita, sns.., ireo tanora ireo, hiteny hianao hitory filazantsara aminy, pfff, tsy raharahany “koa hianareo niaraka tamin’ny mpitondra teo nisy inona ? any ny ahy : ilay “crédibilité” hoy ny vazaha hoe inoan-teny ve ny Fiangonana raha toa hitan’ny olona na heverin’ny olona fa dia tena mifandray tanteraka, miara-miasa amin’ny Fanjakana ankehitriny ny Fiangonana, izao anefa ny vokany ! Raha tsy voaharina io an...Ny irintsika aloha dia ny hanarenan’azy é, nefa.... toa sarotra ihany aloha é ! Ny manana dia mitombo manana bebe kokoa, ny mahantra dia any ambanin’ny tany, zavatra misy izany, atao izay hanarenan’izany, miara-miasa ao ny Fiangonana sy ny Fanjakana... angaha hahomby @ izany io, indrindra anie ka raha mbola miankina @ zava-misy eran-tany. Ka ny ahy ny tena atahorako dia izay : ilay Fiangonana raha hiteny an,  tsy inoan-teny intsony. Ka tsy @ ilay kristianina ankehitriny, ny kristianina ankehitriny vonto-pinoana, ny katolika moa mivavaka tsara an.. manaraka ny fitondran’ny Pàpa an.. ny protestanta dia mbola mahatoky ny fitondram-piangonana, sy ny sisa, fa ny tanora rahampitso, ary izany rahampitso izany anie ka tsy ho ela é ! izay ny ahy no atahorako izay.

Pasteur Daniel RAJAKOBA : mbola tsindriako ihany ny hoe ny Fiangonana no ho voa mafy @ fandehan-javatra tahak’izao : na ny Fiangonana hanaiky lembenana, arakin’ny teny narosonao teo hoe “olona mivavaka io, izay lazainy dia avy @ Andriamanitra, izay ataony dia avy @ Andriamanitra, dia aleo ekeny hatrany” dia sarotra be izay satria ilay olona olom-belona. Ity koa moa mampiavaka kely ny protestantisme ity, ny protestantisme dia jerena hoe ny voany ihany no hahafantarana ny hazo na dia hoe mivavaka io kanefa ny ataony tsy mifanaraka @ izany dia mitsangana izy miteny hoe “tsia, tsy mety izao”, ka na ny Fiangonana hanaiky lembenana dia tsy voatory ny Fahamarinana, ary arakin’ny lazaiko hoe tsy ny fahamarinana “justice sociale” izany fa ny fahamarinana izay Fanjakan’Andriamanitra. Dikan’izany ilaozany ny fahamarinan’Andriamanitra izay maha-Fiangonana azy. Na ny Fiangonana hijoro amin’ny maha-izy azy dia hanjary Fiangonana enjehina, Eglise persécutée.

Ismaël RAZAFINARIVO : izany hoe ?

Pasteur Daniel RAJAKOBA : ho avy ny adin’ny Kaisara sy ny Fiangonana. Ho avy ny ady... dia manjary Eglise persécutée sahalin’ny t@ toerana maro, satria ny Fiangonana tsy hanaiky lembenana, fa ny fahamarinana, fahamarinana, ary ny tsy rariny,  tsy rariny ary tsy maintsy miteny an’izany izy dia ho avy ny Fanjakana hanenjika azy. Ka ny fitiavana tsy misy famarafarana any am-piandohana : ady io !


Ismaël RAZAFINARIVO : izaho te-hametra-panontaniana @ Past. Rajakoba hoe hianao nilatsaka ho fidina t@ 2001, handeha izany apetrako hoe raha hianao tokoa moa no Filohan’ny Repoblika lany teo, hianao pasitera, tsy ohatran’ny mafy mafy kokoa no ankehitriny  ve ny fifamatoran’ny Fiangonana sy ny Fitondrana @ izay maha-pasitera anao izay  ?


Pasteur Daniel RAJAKOBA  : misaotra indrindra @ izay fanotaniana izay : niezahako navahana hatrany ; ity misy fampahatsiahivana kely : t@ izaho minisitra, izaho tsy mpitandrina, tsy mpiandry, fa dia olona nahatsiaro tena, nino, dia nitory. Isan’ny zavatra nanahirana ahy dia hoe fomba ahoana moa no hitondrako arakin’ny fahamarinana ao @ Baiboly, ity Fanjakana izay tsy mandeha araki’ny Baiboly ity ? sahirana aho, ary dia tena nanahirana ahy tokoa izany. Isaorako ny Tompo ny hoe izaho tsy maintsy mianatra aho, ary rehefa mba nianatra aho dia mazava ny hoe, ary izaho dia misaotra an’i Luther izay isan’ny nanazava sy nametraka tsara ny hoe hianao rehefa mino an’Andriamanitra arakin’ny fivavahana kristianina, ka nomena andraikitra hitondra firenena, ny toetrao, ny fahitsianao, ny fahamarinanao, ny fampitovianao ny olona, izany no takina aminao, fa hianao tsy handeha hanao hoe “ izaho handeha hanao mpandray fanasan’ny Tompo, izaho handeha hanao président ny Fiangonana ary’, izaho ho Sekretera jeneraly atsy “ tsy izany intsony ny anjaranao, fa mijoroa amin’ilay toetrao, Andriamanitra izay mampiposaka ny masoandro amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy , fomba ahoana no hitondranao ny olona, ao ny mivavaka, ao ny tsy mivavaka, kanefa ireo tsy maintsy miara-monina, tsy maintsy mahazo ny anjara masoandrony : fampianarana, fitsaboana, sakafo, etsetra, etsetra..ka io arak’ilay tenin’i Mompera teo ary hijoroako vavolombelona hoe sarotra @ ny olona tsy nandray fihavaozana sy fanavaozana avy @ Andriamanitra ny hijoro mahitsy hoe : hampitoviako daholo ireto olona ireto na inona na inona ny foko niaviany, hampitoviako daholo ireto olona ireto na dia ny mankahala ahy aza, na dia @ antoko mpanohitra ahy aza : io zavatra manahirana io @ izao fotoana izao ! hampitoviako ireo satria nomena andraikitra hanasoa ireo aho, hampitoviako daholo na ny mivavaka na ny tsy mivavaka eo anatrehan’ny lalàna : ny mivavaka dia ao am-pony ny lalàna, ny tsy mivavaka ka tsy matahotra an’Andriamanitra tereko hanaraka ny lalàna izay tsy mahitsy raha tsy izany rava ny fiara-monina, ary eo anatrehan’ny volabe, satria omena anao ny fahefana, azonao hampidirana an-trano maizina androany izay tianao ampidirina, ary manao izany ny mpitondra maro : iny na dia manana ny marina aza halako tarehy dia ataoko an’izao; izaho raha manana Andriamanitra atahorako tsy izany no ataoko, ary indrindra ity volabe ity, ity moa rehefa feno koa iza moa no hitory ahy, raha ny fanjakan’ny tany ihany no  zava-dehibe amiko ?  fa raha Andriamanitra izay Tompon’ny tany sy ny lanitra ary ny zavatra rehetra ao aminy, izany kosa no hitokiako, manana hery kokoa, izaho tsy milaza hoe tanteraka, manan-kery kokoa aho hitantana ny raharaham-pirenena, izay tsy ahy na an’ny havako fa nomen’Andriamanitra ny firenena manontolo ka izay toetra noraisiko avy t@ fivavahana kristianina izay no hampihariko : fa ny hoe ny hitsofoka “ ataovy izao @ Fiangonana aho” tsia : ahy daholo ny vahoaka manontolo.

Père Rémi RALIBERA : misy ity fanontaniana Pasitera, izaho moa dia mpihaino anao t@ hianao minisitra....

Ismaël RAZAFINARIVO : mahatsiaro ny fahiny izany i Mompera ?

Père Rémi RALIBERA
: mahatsiaro ny fahiny aho.. Mpihaino anao aho t@ ilay fandaharanao iny. Ka ity mba tiako valinao raha azonao valina.

Pasteur Daniel RAJAKOBA : eny e, azoko valina .

Père Rémi RALIBERA : ny henoko t@ ireny fotoana ireny dia rehefa nangatahan’i Ramanantsoa hianao hanao minisitra @ governemantany, dia nanao filazana hoe : “izaho tsy maintsy mitory ny tenin’Andriamanitra, izay vao hanaiky hiditra ao @ fitondranao ; dia nomena anao tokoa, toa tsy hitako izay Fiangonana niankinanao t@ ireny fotoana ireny, fa dia nitory teny hianao dia nalaza mihitsy ary tsy niova mihitsy ilay fahasahianao miteny , sy ny sisa , fa dia izay ihany ka inona no marina ? Izany ve no nataonao ?

Pasteur Daniel RAJAKOBA : satria t@ fotoan’andro, izaho mantsy tsy mba hoe tao @ Fiangonana no niova fo, fa namaky boky aho dia niova fo dia hoe arahiko ity Andriamanitrin’ny Baiboly ity, ary izaho tsy niala t@ Fiangonana nisy ahy, kanefa tsy dia izay loatra ny ahy ny zava-dehibe fa hoe ity Andriamanitra @ Baiboly ity nanova ny fiainako, hatramin’ny toe-pahasalamako, mba tiako ho fantatrin’ny maro. Ka raha niantso ahy ny Jeneraly t@ iny dia izao no nolazaiko hoe “ izaho ity anie mon Général mpampianatra ary tsy mbola nanao politika, raha nanao aho t@ andron’i Tsiranana ireny dia afaka nahavita na dia nohon’ny fihaviana fotsiny aza, izaho tsy nanao an’io ka vao maika aho izao ny zavatra masaka ato am-poko dia ny hitady sekoly hianarana baiboly, ka izaho tsy hanao an’io”. Dia hoy izy hoe :” izaho koa anie tsy nifidy é, izaho olona efa retraité, fa latsaka an-kanterena ny firenena ka raha olom-pirenena hianao tsy maintsy manao” dia teo aho nametraka fepetra hoe “tsy misakana ahy hitory teny izany ? “ dia hoy izy hoe “tsy misakana izany”.
Dia izay no nahatonga ahy hoe tsy hiankina @ FJKM misy ahy ity , tsy hiankina @ antoko izao fa tiako ny Baiboly ka hambarako, dia naka fotoana aho ary nambarako ny Fahamarinana rehetra. Amiko izany fijoroana vavolombelona fa izay noraisiko zaraiko @ maro.

Ismaël RAZAFINARIVO : Ka raha hianao izao eo @ toeran’ny filohan’ny Repoblika raha ho anao manokana, laharam-pahamehana ve raha eo @ izay toerana izay ny mitondra fampandrosoana marina @ vahoaka marobe , misy mahantra, sy ny sisa, sa ny hanova ny fon’ny Malagasy hanaraka ny Andriamanitrin’ny Baiboly ?

Pasteur Daniel RAJAKOBA : ny adidin’ny fitondram-panjakana hoy aho dia mbola havahako tsara : ny fitondram-panjakana dia nomen’Andriamanitra vahoaka anankiray, misy mivavaka, misy tsy mivavaka, na mivavaka arak’izay heveriny, misy tia fahamarinana, misy tsy tia fahamarinana, misy tia vonon-olona, tia halatra, karakarao izay hisian’ny fandriampahalemana sy ny hahazoan’ireo mivaotra arak’izay azo zaraina aminy, TSY MIANKINA @ FIVAVAHANA, izay mantsy no adidy apetraka amiko, ary izay ny ahy no vaindohan-draharaha, ka ilay adidy manova ny fon’ny olona, izay andraikitrin’ny Fiangonana, saingy izaho kosa mino fa ny toriteny tena manova fon’ny olona dia ny fiainako. Aaaah iny olona iny tahak’izao sy tahak’izao, voalazan’ny Soratra Masina hoe mba handeha hiaraka aminareo izahay fa hitanay fa mombanareo Andriamanitra. Indraindray koa anie izahay mpitori-teny ity ny vava mandeha kanefa ny atao zavatra hafa dia tsy tian’ny olona é !

Ismaël RAZAFINARIVO : mitodika avy hatrany @ Père Rémi Ralibera aho ; izaho izany te-hametraka ady-hevitra anankiray : averimberinao matetitetika hoe hanimba ny Fiangonana io ; inona no tena hatahoranao, misy moa ny resaka hoe sekta, nisy nandoro Baiboly tany Fianarantsoa, izay ve ilay tena hatahoranao hoe hiala @ Fiangonan-dehibe ny mpivavaka sa inona ilay tena mampanahy anao ?

Père Rémi RALIBERA : ny ahy ny atahorako mafy dia atao fitaovana ny Fiangonana hitazomana ny fitondrana ka tsy afaka hiteny. Izay no tena atahorako. Ka sarotra ange ny manavakavaka hoe ahoana sy ahoana marina avy moa izany fa izay no tena hatahorako. Ilay Malagasy mahantra ; misy ny vola, manaraka anao izy, izy mety tsy mitovy hevitra aminao fa misy ny vola dia ié, eo aloha, manaiky izy izao izay ataony rahampitso na hafak’ampitso resaka hafa izay. Fa ny ahy ilay tsy fahafahan’ny Fiangonana miteny ny zavatra tsy dia mahafaly ny fitondrana, izaho kosa aloha tsy hoe isan’andro izao dia hanenjika ny Fitondrana hoe “tsy mety izao é, tsy mety izao é”, an, an.

Ismaël RAZAFINARIVO : izaho mantsy izao tena nieritreritra mihitsy hoe Père Rémi Ralibera izao @ maha SG ny FFKM anao dia tena hiaro mihitsy ny hoe  “ mety tsara mihitsy izao fiara-miasan’ny Fiangonana sy ny Fanjakana izao.

Père Rémi RALIBERA : ô , ô , ô .

Ismaël RAZAFINARIVO : @ maha sekretera jeneraly anao ?...

Père Rémi RALIBERA  : ao anie aho misy fepetra , sns, fa izao fotsiny é, raha vakina milamina ilay fanambarana nataonay FFKM t@  Komity Foibe tany Morondava t@ 2003 ary t@ zaikabe teo sy ny Komity Foibe farany teo t@ jona 2004, dia nohantitranterinay ny fifanajan’ny Fanjakana sy ny Fiangonana, nohantitranterin’ny Komity an ! tsy izaho Rémi Ralibera akory fa ny komity no nanao an’izay. Ary tena avy @ lafivalon’i Madagasikara no nilaza hoe : “an,  an, aoka isika hanana ny fahafahantsika, miara-miasa @ Fanjakana fa aoka hazava tsara ny fiara-miasa @ Fanjakana, fa tsy hoe voasarona ao ; dia novalian’ny Pdt Ravalomanana hoe...

Ismaël RAZAFINARIVO : ohatran’ny nahitsinareo teny Ambohitsirohatra ilay izy ?


Père Rémi RALIBERA : dray, dray , dray, complexe no izay ny fandehan’ny raharaha. Vakina iny tany Morondava dia novakiako tao Mahamasina t@ 25 janoary 2004. Novakiako, i President Ravalomanana teo, novakiako am-pahitsiana. Vita ny teniko dia nitsangana izy : “tsy ekeko iny “ hoy izy. Dia hoy aho anakam-poko any hoe “fa iza hianao no tsy hanaiky an’iny fa angaha raharahanao io fa tsy anay Fiangonana ?” Fa izaho moa ataoko ahoana no filaza izany hoe...
Fa t@ valiny aho nilaza taminy. Izy nilaza hoe : “ ovao io”. Dia hoy aho hoe, t@ valin’ny teny fisaorana azy hoe “ azafady Mr le Président, fa hianao protestanta hoy aho, ka hianao mahalala fa izay tapakin’ny Komity Foibe dia Komity Foibe hafa indray no afaka manala azy, fa tsy antenantenan-dalana, ka noho izany dia henoina ny teninao fa ny fanovana tsy azonay atao. Dia tonga ny Komity Foibe manaraka dia navoakanay ilay fanambarana, ny PM Sylla no tao, ilay teniko tary tsy navoakan’ny radio an, ilay valiny nataoko t@ Pdt, natahotra ny radio hoe “ ô leity à ! ahoana ilay Mompera io sahy mamaly ny Pdt eo imaso eo ? “ Izaho manaja azy an! Am-panajana no nolazaiko azy, dia tonga ny famakiana ny fehin-kevitrin’ny zaikabe sy ny fanambaran’ny Komity Foibe dia mbola naverinay mihitsy ny fahasamihafan’ny fahefana ary tokony miara-miasa fa samy manaja ny toerana misy azy avy.

(hitohy)..

 
< Prev   Next >
spacer.png, 0 kB
spacer.png, 0 kB
spacer.png, 0 kB