spacer.png, 0 kB

Communiqué : Madagascar traverse actuellement une période difficile. Le vent du changement politique qui a suscité tant d’espoirs en 2002 s’est regrettablement mué en une impasse socioéconomique. 

Read more...
 

spacer.png, 0 kB
spacer.png, 0 kB
Home arrow Information arrow Communiqués arrow Invitation à la sagesse
Invitation à la sagesse PDF Print E-mail
Written by Daniel Rajakoba   
lundi, 29 mai 2006

Manoloana ny fahasahiranana sy ny fahaverezan-kevitra manapotika ny vahoaka ankehitriny izao, dia raisiko ho adidy sy ho andraikitra lehibe ny mamerina izay efa voalazako hatramin’izay, momba ny LANJAN’NY SAFIDIM-BAHOAKA eo amin’ny Fitondrana Demôkratika. Arakaraka ny olona fidiny hitondra azy ihany no halehan’ny vahoaka sy ny Firenena. Hovaliantsika amim-pahatoniana tsara àry ireto fanontaniana vitsivitsy ireto,dia ho hitantsika ny loharanon’ny fahantrantsika.

Mpanabe no anjara fanompoana nihofanako sady tanterahiko hatrany eo amin’ny maha-Mpampianatra sy ny maha-Mpitandrina. Ary rehefa nirotsaka teo amin’ny sehatry ny pôlitika aho,dia ny fanabeazana ny mpiray Tanindrazana hiatrika sy handray ary hiaina ny Fahaleovantena marina no fototry ny teny sy ny asa mitondra ny Antoko tarihiko.

Manoloana ny fahasahiranana sy ny fahaverezan-kevitra manapotika ny vahoaka ankehitriny izao, dia raisiko ho adidy sy ho andraikitra lehibe ny mamerina izay efa voalazako hatramin’izay, momba ny LANJAN’NY SAFIDIM-BAHOAKA eo amin’ny Fitondrana Demôkratika. Arakaraka ny olona fidiny hitondra azy ihany no halehan’ny vahoaka sy ny Firenena. Hovaliantsika amim-pahatoniana tsara àry ireto fanontaniana vitsivitsy ireto,dia ho hitantsika ny loharanon’ny fahantrantsika :

  • Nifidy marina ve isika hatramin’ny desambra 2001 ka hatramin’izao, sa novidina kosa ?
  • Raha nifidy marina àry isika, fantatsika marina ve ireo olona nofidintsika ? Inona no toe-tsaina sy toe-po nanosika antsika hifidy azy ireo ?
  • Mbola haverina ve ny tahaka ireny, sa mba hangataka fahendrena avy amin’Andriamanitra kosa hitsinjovana ny ho avy ?

Raha Andriamanitra tokoa no angataham-pahendrena, dia manana ny Teniny Izy hanoroany hevitra izay matoky Azy. Indro averiko eto izany Teny izany, izay nampahatsiahiviko indray raha niteny tao amin’ny Radio Antsiva aho tamin’ny zoma 11 febroary lasa teo :

Deoteronomia 17 :14 – 20

Azo fintinina ho toy izao izay voalaza :

  1. Anankiray amin’ny rahalahinao,fa tsy olona hafa firenena; (sao tsy Malagasy, lahy,no nofidintsika, fa toa fitondran’ny mpanjana-tany no hitantsika).
  2. Aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro.(Hery ara-tafika izay ampijoroana ny fitondrana tsy refesi-mandidy no hevitra mety hofonosin’ny hoe:”soavaly maro”; ary omban’ny herin’ny fanompoan-tsampy izany, raha ny Egypta fahiny no lazaina)
  3. Aoka tsy hampirafy maro izy, fandrao hivily ny fony;
  4. Aoka tsy hamory volafotsy na volamena be ho azy izy (Mazava tsara ny amin’io, fandrao ho lasany ho azy mianakavy eo ny haren’ny Firenena)
  5. Ny Tenin’Andriamanitra no hovakiny isan’andro mba hianarany hatahotra an’Andriamanitra sy mba tsy HIAVONAVONAN’NY FONY AMIN’NY RAHALAHINY.( Hevitra fototra no voalaza eto: Betsaka ny mivavaka sy mivimbina Baiboly hatrany, kanefa tsy matahotra an’Andriamanitra; ary dia miteraka avonavom-po izany, ka tsy ahazoana mihaino ny vahoaka)

 

Koa miteny amintsika rehetra ny Baiboly :

- Raha Mpitondra ianao, dia manetre tena, ka mihainoa ny Tompo ary mihainoa ny vahoaka izay entinao. Ajanòny ny fandrahonana !

- Ny vahoaka kosa dia taomina hanaja ny hasina aman-kajany,ka aoka hitandrina amin’ny aoriana. Betsaka sahady ny milaza azy ho tia ny vahoaka izao,miandrandra ny taona 2007, kanefa…jereo tsara ny efa nataony sy mbola ataony ankehitriny,fa tsy izay lazainy fotsiny ihany : “ny voany no hahafantarana ny hazo”.

 

Pasteur RAJAKOBA Daniel

 
< Prev
spacer.png, 0 kB
spacer.png, 0 kB
spacer.png, 0 kB