spacer.png, 0 kB

Communiqué : Madagascar traverse actuellement une période difficile. Le vent du changement politique qui a suscité tant d’espoirs en 2002 s’est regrettablement mué en une impasse socioéconomique. 

Read more...
 

spacer.png, 0 kB
spacer.png, 0 kB
Home arrow Information arrow Communiqués arrow Dieny mbola tsy levona isika
Dieny mbola tsy levona isika PDF Print E-mail
Written by Webmaster   
lundi, 16 février 2009

Ny mahatonga ny ratsy handresy, dia noho ny tsy fijoroan'ny olon-tsara (Edmund Burke). Manoloana ny toe-javatra iainan'ny Firenena, dia tsy azo atao instony ny mangina na mitazana fotsiny. Noho izany, raisina ho adidy ny mampiely izao fanambarana nataon'Atoa Daniel Rajakoba amin'ny alalan'ny Taratasy misokatra ho an'Andriamatoa Ravalomanana Marc, Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara izao.

Ho an'Andriamatoa Ravalomanana Marc, Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara,

Dieny tsy mbola levona isika

Amin'ny toe-panahy kristiana madio sy feno fanajana ary manoloana an'Andriamanitra Izay Mpandinika ny voa sy ny fo no anaovako izao fiangaviana sy fitalahoana maika izao :

Eo anatrehan'Andriamanitra sy i Kristy Jesoa, Izay hitsara  ny velona sy ny maty, ary noho ny fisehoany, Eo anatrehan'ny vahoaka malagasy izay lazainao fa tianao, ary notantananao nandritra ny fito taona,

Dia miangavy anao indrindra aho hijery ny tombontsoan'ny Firenena sy ny hoavin'ny fanahinao izay sarobidy tokoa manoloana ny Ram-panavotan'i Kristy. Ianao dia mahalala tsara ny soa vitanao ho an'ny Tanindrazana ; tsy azonao odian-tsy hita koa ny heloka vitanao izay tsy hainao diovina amin'ny alalan'ny famonoana eritreritra fotsiny. Sarobidy ny fahefana sy ny voninahitra ary ny haren'ny tany, kanefa tsy misy lanjany izany manoloan ny "aina sy ny fanahin'olona". Satria efa nanome baiko handatsaka ain'olona, dia tsy ho afaka hanapaka ity Tanindrazana ity amim-piadanana intsony ianao. Fa voasoratra hoe :

"Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany. Eo amin'ny tanan'ny mananaina rehetra no anadinako azy ; ary eo amin'ny tanan'ny olona, dia eo amin'ny tanan'ny olona avy no hanadinako ny ain'ny olona. Izay mandatsaka ny ran'olona, dia mba halatsak'olona kosa ny rany, satria tahaka ny endrik'Andriamanitra no nanaovany ny olona"(Gen.09:5-6).

Noho izany, Atoa Filoha, "ALEO MAMETRA-PIALANA" amim-boninahitra. Dia atolory an'Andriamanitra ny vahoaka, fa Azy ny olona. Ianao kosa hibebaka hamonjen'ny Tompo ny fanahinao. Fa raha feo hafa no hohenoinao, dia mbola hampamono olona betsaka kokoa ianao, ka hitombo heloka, kanefa tsy ho afaka hanapaka intsony.

Koa amin'izao toe-java-misy ankehitriny izao, dia tsy raharahan'ny fampihavanana intsony no adidin'ny FFKM izay Raiamandeny nijoro "hitaiza anao", araka ny teniny tamin'ny taona 2002, fa fitaomana anao hijanona "dieny tsy mbola levona ny Firenena".

Farany, hoy ny Tenin'Andriamanitra : " Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao; toroy ny hendry, dia hihahendry izy. Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy." (Ohab.09:8-9)


Daniel Rajakoba, Mpitandrina FJKM

 
Next >
spacer.png, 0 kB
spacer.png, 0 kB
spacer.png, 0 kB