spacer.png, 0 kB

Communiqué : Madagascar traverse actuellement une période difficile. Le vent du changement politique qui a suscité tant d’espoirs en 2002 s’est regrettablement mué en une impasse socioéconomique. 

Read more...
 

spacer.png, 0 kB
spacer.png, 0 kB
Fanambarana PDF Print E-mail
Written by Webmaster   
lundi, 09 février 2009

Manoloana ny toe-javatra mampalahelo namoizana ain'olona sy nandratràna olona maro ny asabotsy teo, dia  miara-ory amin'izay namoy havana rehetra izahay ary mampahery sy mirary fahasitranana haingana ho an'ireo izay naratra ihany koa.

Na inona na inona tsy fitovian-kevitra dia tolona tsy nisy herisetra no nasehon'ireo mahery fon'ny firenena hitady ny fampanjakàna ny tena demokrasia eto Madagasikara. Tanam-polo no  nifanehatra tsy satry tamin'ny herim-pamoretana izay tsy nihambahamba akory nampiasa ireo fitaovam-piadiana mahery vaika teo am-pelan-tànany. Tsy voahaja intsony hasin'ny ain'olombelona, ary very tanteraka ny soa toavina Malagasy izay manandratra ny fihavanana sy fifanajana .Noho izany dia manameloka tanteraka izay ati-doha nikotrika sy nanatanteraka izao fandripahana ny Malagasy mpiray Tanindrazana izao izahay, ary mitaky ny marina mikasika izany.

Antso avo no ataonay mba hitadiavana haingana  vahaolana sy fandraisana andraikitra handaminana izao krizy politika lalina izao, ka entanina avokoa ny hery politika tia tanindrazana sy ny hery velona mitolona marina ho amin'ny fametrahana rafitra vaovao, tsara kokoa, sy maharitra ifampitondran'ny Malagasy sy ny taranaka fara-mandimby rehetra.

Ny ain'ny olombelona ambony noho ny fahefana nampindramina ka aoka ho sahy hijoro ho tompon'andraikitra izay tena tia tanindrazana marina, hitady izay mahasoa ny vahoaka Malagasy.

Mitrakà ry mpiray tanindrazana namana, fa antsika rehetra i Madagasikara ary aoka isika ifanome tànana hanarenana ity Firenena mamintsika ity.

Ny Antoko Fihavanantsika

Pasitera Daniel RAJAKOBA
Atoa Andry RASOLOFO
Atoa James RATSIMA
Atoa RAKOTONIRINA Solonjatovo
sy ny mpikambana rehetra manerana ny nosy

 
< Prev   Next >
spacer.png, 0 kB
spacer.png, 0 kB
spacer.png, 0 kB